Tantara vaovao no idiran’Antananarivo Renivohitra manomboka eto. 16 taona taorian’ny naha ben’ny tanŕna ny vadiny dia voafidy hitantana ny renivohitra Rtoa Lalao Ravalomanana.
Nohamafisin’ny didim-pitsarana omaly momba ireo fitoriana izany. Hiasa ho amin’ny fanatsarana ny tanàna sy ny fanatsarana ny fiainan’ny mponina ao aminy aho, hoy i Neny Lalao Ravalomanana nandritra ireny fampielezan-kevitra ireny. Maro ny zavatra hita tany ivelany tamin’ny fotoana nipetrahana tany, maro be ihany koa ny olona nifampiresahana sy nifanakalozana traikefa. Tsy be resaka i Neny fa henjana kosa amin’ny fomba fiasa sy fanatanterahana ny fandaharanasany. Tenin’olon-dehibe ny azy fa tsy rediredin’ny tanora saina sanatria. Asa maika miandry azy ny fanamboarana ny lalana simba eto an-drenivohitra, ny fandaminana ny tsena, ny famahana tanteraka ny olan’ny fako fa eo ihany koa ny firoboroboan’ny fanotofana tany sy famaritana tany etsy sy eroa eto an-drenivohitra, izay tsy fantatra mazava ny antony ary tena mampimenomenona ny olona. Efa nandinika lalina aho vao nirotsaka ho kandida, hoy i Lalao Ravalomanana ka noho izany efa vonona amin’ny zava-drehetra.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.