Politique

Aro riaka Mangataka ny hanokafana an’Ambohijatovo hanehoana hevitra


  • Alarobia 16 Septambra 2015

Tena manahirana ny raharaham-pirenena eto amintsika ho an’ny antoko politika Aro riaka.

 

 Tsy misy intsony mantsy raha araka ny nambaran’ny filohany Rakotonirina Gregoire Odon ny maha solontenan’ny vahoaka ireo manampahefana eto amintsika fa lasa herim-pamoretana izy ireo, indrindra fa ho an’ireo mpitandro ny filaminana. Izay miteny sy manao fitokonana dia hampitahorina sy samborina avokoa. Manoloana izany dia tonga nanatitra taratasy fangatahana tao amin’ny PDS-n’Antananarivo omaly ity filohan’ny Aro riaka ity hahafahana manokatra toerana iray entina hanehoana hevitra. Anisan’ny hiantefan’ny safidin’izy ireo manokana ny kianjan’Ambohijatovo izay hanaovany fangatahana any amin’ny filoham-pirenena ihany koa.  Tafiditra ao anatin’ny fangatahana hataon’izy ireo amin’izany ny hisian’ny solontenam-panjakana hihaino ny fitarainan’ny olona rehefa misy maneho hevitra ao an-toerana.

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

Hijery ny tohiny
FTT