Politique

Arlette Ramaroson Ny politikan’ny fitsitsiana no hanavotra ny toekarena


  • Alakamisy 30 Aogositra 2018

Tokony ho modely amin’ny fitsitsiana ny mpitondra hitantana an’i Madagasikara satria iaraha-mahita ny fahantrana lalina mianjady amin’ny firenena.

 

Mibaribary ary hitan’ny rehetra ny filibana fandaniam-bola ataon’ny fitondrana amin’ny fanokanana sy ny fivoriana ary ny atrikasa etsy sy eroa. Tsy lazaina intsony ireny fiara ampiasain’ny tompon’andraikitra ambony maro eto amin’ny firenena ireny izay tena mitroka solika be. Azo atao anefa ny fampiasana fiara tsotra tsy mihinan-dasantsy hitsinjovana ny vahoaka sahirana sy mahantra ary tsy voatery mitaingina ireny fiara lafo vidy sady mandany be hafarana ireny ny mpitondra. Ankoatra izay, nanambara ity mpitsara iraisam-pirenena ity fa mila mandray lesona tamin’ny fandrosoan’i Rwanda i Madagasikara. Firenena maty ary tanàna haolo ary potika tanteraka kanefa nifanao dina ny mpitondra sy ny vahoaka ka nahatonga azy ho voalohany mihitsy amin’ny ady amin’ny kolikoly. Nanantitrantitra hatrany koa ny kandida Arlette Ramaroson fa tsy hivoaka ny firenena raha tsy hisy ny fitantanana mangarahara ny harenan’ny Malagasy. Mila manompo ny vahoaka ny mpitondra izay ho lany eo fa tsy hotompoina tahaka ny misy ankehitriny.

 

Tsirinasolo

 

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

Hijery ny tohiny
FTT