Politique

Arlette Ramaroson Manohitra ny fitrandrahana tsy ifampierana


  • Talata 28 Aogositra 2018

Tofoka tanteraka amin’ny tsy fetezan’ny fitantanana ny firenena Ramatoa Arlette Ramaroson, kandidà ho filohan`ny Repoblika.

 Mampalahelo ny zava-misy any Toliara noho ny fitrandrahana tsy ara-drariny ataon`ny orinasa Toliara Sands. Moa ve nisy fifanarahana mazava tamin`ny vahoaka any an-toerana, hoy izy. Araka ny lalàna iraisam-pirenena dia tokony hanontaniana ny vahoaka hoe : mety aminy ve ny fitrandrahana hatao ? Nohamafisiny fa tokony hatao ny mangarahara fa tsy tapahina avy  hatrany any amin`ny filankevitry ny minisitra. Manaraka izany, fanitsakitsahana ny zon`olombelona ny zava-mitranga. Ny lalàna dia milaza fa tsy maintsy jerena ny tombontsoa ambonìn`ny firenena. Notsindriany fa ny vahoaka no tompon`ny tany ary ny mpitondra dia tokony hanao mangarahara. Manana zo fototra ny Malagasy ary maro ireo lalàna iraisam-pirenena nosoniavina kanefa tsy misy nampiharina. Manana andraikitra tokony horaisina ny fanjakana, hoy i Arlette Ranmaroson. Araka ny nambarany dia ny governemanta Ntsay no nantenaina hitondra vahaolana sy handamina ny zava-drehetra kanefa mifanohitra an`izay ny zava-misy. Tsy tokony haka fanapahan-kevitra intsony ny fanjakana satria efa voalaza fa mikarakara fifidianana. Atsaharo daholo ireo fifanarahana rehetra afa-tsy ireo izay tena ilaina eto amin`ny firenena. Dieny izao, mila miara-miainga sy miara-mitsangana ny rehetra amin`ny fanoherana ny fitrandrahana ao Toliara ary manao antso avo amin`ireo fikambanana na ONG mba hiaraka hanohitra ny fitrandrahana satria fanitsakitsahana ny zon`olombelona sy fanapotehana Malagasy mihitsy, hoy hatrany ny fanazavana.


Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

Hijery ny tohiny
FTT