Tsy matin’ny malagasy maro lolo hatramin’izao ny anton’ilay fianianana tsy misy vavaka sy baiboly etsy Mahamasina amin’ny sabotsy.
Manana ny heviny Andriamanitra, hoy ny kandida ho filoham-pirenena farany teo sady mpitsara iraisampirenena, Arlette Ramaroson. Miarahaba ny filoham-pirenena vaovao aho, hoy ny tenany, ary mirary azy mba hanam-pahendrena. Mbola mitazona ny vinanay izahay dia ny ady amin’ny kolikoly, ny fiarovana ny tanindrazana sy ireo nahafantarana anay hatramin’izay. Mbola manana zo hiteny isika. Amin’ny maha Kristianina dia malahelo aho, hoy ny tenany, fa amin’ny maha mpitsara kosa dia misy ny atao hoe fianianana amin’ny tany repoblikanina. Ao anaty lalàmpanorenana aza misy hoe “Andriamanitra Andriananahary”. Ny anton’io, hoy izy, dia niadianay tamin’ny taona 2010 mba hahafaoka ny finoana rehetra. Tokony ho natao tao anaty lalàmpanorenana ny hoe mipaika baiboly saingy tsy izay moa no natao ka dia miangavy ny Kristianina rehetra aho mba tsy ho tezitra na sosotra. Efa zava-dehibe anefa, hoy hatrany izy, ny velirano amin’Andriamanitra Andriananahary.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.