« Tsy marina ny lahatsoratra navokan’ny "Lettre de l’Ocean Indien" izay milaza fa ny Rosiana no manome ny vola rehetra hampiasainay mandritra ny Fifidianana», hoy i Arlette Ramaroson izay kandidà ho filoham-pirenena.
Manoloana ny fanaratsiana miparitaka eo anivon`ny tambajotra serasera dia hametraka fitoriana amin`ilay orinasan-gazety ny tenany ary tsy maintsy havoakany ny porofo satria fanitsakitsahana ny zo hofidiana. Notsindriny fa tsy miaraka amin`ny rosianina ny tenany ary tsy mbola niresaka tamin`ny Rosianina na dia iray aza. Tsy mitombina ny filazana fa ny Rosianina no manome ny vola rehetra hampiasainy mandritra ny fifidianana. Manao antso avo amin’ny HCC sy ny CENI ity mpitsara iraisam-pirenena misotro ronono ity mba hijery akaiky izao raharaha izao ary hametraka fitsipika mba tsy hampahazo laka ny fifanaratsiana ataon’ny kandidà mialoha ny fifidianana. Marihina fa am-polony mahery amin’ireo kandida 36 hilatsaka ho filoham-pirenena eto amintsika no voalaza fa efa noresahan’ny rosianina raha ny tatitra navoakan`ilay gazety.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.