Nimenomenona mikasika ny valim-pifidianana avokoa ny rehetra, hoy ny kandida ho filoham-pirenena tamin’ny fihodinana voalohany, Arlette Ramaroson, raha naneho ny heviny mikasika ny vokatra vonjimaika farany navoakan’ny CENI ny sabotsy teo.
Diso be io valim-pifidianana io. Efa nametraka fitoriana mikasika azy io any amin’ny tribonaly famaizana izahay, hoy izy, raha nisolotena ny firaisankinan’ireo kandida miisa 25 omaly. Niverenany nampatsiahivina ireo lesoka naharaisany fitarainana toy ny nitranga tany amin’ny biraom-pifidianana nisy azy tany Ivato. 59 isa no maty tao anaty lisitra teny. Ny zanako eny Itaosy nahazo kara-pifidianana 2. Ny mpanohana ahy tany Amparafaravola nasaina nody fa tsy tao, hono, ny delegeko. Ampahany ireny. Rehefa nandinika izahay dia tsy mety intsony ny hanitsy ny banga sy lesoka satria be loatra. 4 tapitrisa tamin’ny olona miisa 9 tapitrisa no nifidy ka hoy aho hoe andao hifidy mba izay safidim-bahoaka amin’ny hitsim-pony amin’izay. Miara-mikaon-doha ireo kandida miisa 36 hijerena izay hampangarahara ny fifidianana manaraka rehetra. Mitodika amin’ny fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana izahay ankehitriny hoe foano dia avereno io fifidianana io. Ho an’izay nilaza kosa fa nandray volabe ny CENI dia ento aty aminay ny porofo.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.