Fitambarana mpino sy tanora Kristianina avy amin’ny fiangonana samy hafa no nanao fanambarana tetsy amin’ny Kamoula Analakely omaly maraina, nilaza fa hanohana tsy misy fepetra an’i Arlette Ramaroson,
kandida amin’ny fifidianana filoham-pirenena. Nanamafy fa tsy misy afa-tsy ny olon’Andriamanitra sy olo-marina ihany no hany hanavotra an’i Madagasikara, araka ny nambaran’ny Pasitera Ramanantsoa Haja. Nambaran’ny kandida Arlette Ramaroson kosa fa tsy ara-dalàna ny datim-pifidianana ka na izy izay mpahay lalàna aza valalanina tamin’ny didy aman-dalàna samihafa. Anisan’ireny didin’ny HCC tamin’ny 25 jolay, ka nilazany fa tsy mitombina sy tsy ara-dalàna io fitondrana sy governemanta Christian Ntsay io fa namboamboarin’ny HCC fotsiny. Mila atsangana, hoy izy, ny tetezamita tena eken’ny vahoaka ka hirosoana ny fanadiovana tanteraka ny firenena hisian’ny mangarahara aloha, ka hahemotra io fifidianana io satria tsy mitovy ny herijikan’ny kandida satria ny sasany manam-bola be tsy fantatra izay nahazoana azy, malaza ho nanondrana boaderozy, mizara vola,... Ny sasany kosa tsy manana ary ny sasany antonontonony. Aoka hangarahara avokoa ny zava-drehetra, ka mila hanaovana fanadihadiana ara-pitondran-tena ny kandida. Maninona ny tsy asiana izany kanefa efa fantatra hoe ny sasany nangalatra, nanondrana boaderozy ? Avy amin’io no tokony ho mason-tsivana hoe : afaka mirotsaka sa tsia ny kandida iray, raha ny heviny. Ny CENI raha madio nahoana no tsy mijery mijery fotsiny ? Mangataka ny CENI hanao am-pahamarinana sy mangarahara ny asany ny kandida Arlette Ramaroson.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.