Saika niteraka resabe tao Mahajanga ny faran’ny herinandro teo ny filazan’ireo mpivavaka sy mpiaradia amin’ny Apôstôly Tatandraza fa “izy no Jesosy tonga velona eto ambonin’ny tany”.
Nanao antso tamin’ny fahitalavitra mihitsy izy ireo, nanentana ny vahoaka mba ho tonga maro hijery sy handray fahasoavana avy amin’io “mpamonjy azy ireo” io. Ny zoma io no tonga tao Mahajanga ny Apôstôly Tatandraza, hilaza ny hafatra avy amin’ny Tompo. Notakian’ireo olona liana te hahita zavatra izy mba hanao fahagagana saingy nilaza fa tsy izay no iraka nampanaovin’Andriamanitra azy tety ambonin’ny tany. Ankoatra izay dia nilaza ity Apôstôly ity fa hitondra ny firenena ity. Mitombo isa indray izany ireo mpitarika fivavahana milaza fa hitondra an’ity Madagasikara ity atsy ho atsy, eo i Pastera Mailhol, Kohen Rivolala, Apôstôly Tatandraza, asa iza koa no manaraka ?
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.