Manoloana ny toe-javatra niseho tao Mahajanga ny faran’ny herinandro teo mikasika ny filazan’ny Apostoly Marc Tatandraza fa izy no Jesosy tonga nofo ety an-tany sy ny fanehoan-kevitry ny filohan’ny fokontany Amborovy Maitre Sanga ny toe-draharaham-pirenena dia
Maro ireo olona no mitaraina, indrindra ireo kristianina, fa maniratsira an’Andriamanitra izy roa lahy ireto. Etsy an-daniny, ireo mpanao politika dia milaza fa mila hampiharina amin’ity sefom-pokontany Amborovy ity ny lalàna velona eto amin’ny tany sy ny fanjakana. Nanamafy anefa ireo mpanara-dia io Apostoly io fa tena fanahin’i Jesosy no ao amin’i Tatandraza. Maro koa ireo mpaminany sy ny mpitondra fiangonana sasany no manakina azy roalahy izay milaza azy ho Jesosy sy mpandinika ny fiainam-pirenena ity ka miandry ny fanapahan-kevitra ny fanjakana mahefa. Andrasana ny mety ho tohin’ity raharaha ity.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.