Politique

“Aoka ny lasa homba ny lasa”


  • Alatsinainy 04 Mey 2015

Pejy vaovao eo amin’ny tantaran’i Madagasikara no nisokatra nanomboka ny sabotsy 2 mey lasa teo, dingana lehibe no vita, namelona indray ny fanantenana ao am-pon’ny tsirairay ary nandrehitra ny afon’ny fitiavan-tanindrazana ny fahitana fa azo atao tsara ny mifanazava


, mifamela ary miasa miaraka ho amin’ny fampandrosoana ny firenena. Tao anatin’ny ranomasom-pifaliana no nandraisan’ny zanak’i Dada ny tenin’ny filoha Hery Rajaonarimampianina, nanambara ny sabotsy hariva teo teny amin’ny trano fivoriana iraisam-pirenena teny Ivato fa ekeny ny fangatahan’i Dada ny hanafoanana ny didy mandrara azy tsy hanana ny zo malalaka hivezivezy toy ny olom-pirenena rehetra.


Rafitra vaovao tanteraka

Neken’ny Filohan’ny Repoblika ihany koa ny hananganana rafitra vaovao hitantana ny fampihavanam-pirenena izay soso-kevitra natolotry ny Amiraly Ratsiraka. Natolotra ny Filoha Hery Rajaonarimampianina ny sabotsy teo ny boky 19 pejy mirakitra ny asa sy ny dinika nataon’ireo olona miisa 1830 avy tamin’ny Faritra 22 sy avy tamin’ny fikambanana maro samihafa nandray anjara tamin’ny Fihaonambem-pirenena ho an’ny dinika ho amin’ny fampihavanam-pirenena. Voarakitra ao amin’io boky io ny tolo-kevitry ny mpizaika ny amin’ny handravana ny andrim-panjakana rehetra afa-tsy ny fiadidiana ny Repoblika, ny fananganana rafitra hanara-maso ny fomba fiasan’ny mpitandro ny filaminana izay tsy mahazo mitsabatsabaka amin’ny raharaha politika intsony manomboka izao. Fanirian’ny mpizaika ihany koa ny hanaovana fifidianana lalàm-panorenana vaovao ka iray amin’ireto no ho fidiana dia ny lalàm-panorenena izay efa misy amin’izao fotoana na lalàmpanorenana manome ny fahefana manontolo sy matanjaka ny filoham-pirenena na lalàmpanorenana manome fahefana tsotra ny filoham-pirenena na lalàmpanorenana manome fahefana feno ny solombavambahoaka na lalàmpanorenana federalisma ary farany ny lalàmpanorenana mametraka mpanjaka. Amin’izay fotoana izay dia ny Antenimieram-panorenana na «Assemblée Constituante» no manao ny asan’ny Solombavambahoaka izay hiasa mandritra ny roa taona rehefa rava tokoa ny Antenimieram-pirenena.

Komitin’olon-kendry

 Eo amin’ny fampiharana ny zavatra tapaka tamin’ny dinika teny Ivato dia hisy ihany koa komity hatsangana hanara-maso ny fanatontosana izay neken’ny Filoham-pirenena. Ireo nahazo voina na namoy ny ainy na ireo rava fananana na olon-tsotra na orinasa dia fantatra ihany koa fa hahazo onitra amin’ny fanjakana. Eo amin’ny firafitry ny fanjakana dia nangatahan’ny mpizaika ihany koa ny hananganana ny komitin’ireo olon-kendry. Tsiahivina ny sabotsy maraina dia nangataka famelana tamin’ireo izay nanana alahelo taminy i Dada ary nampanantena fa hanao izay tratry ny heriny amin’ny fampandrosoana an’i Madagasikara. Nangatahin’i Dada ihany koa ny hisokafan’ny orinasa Tiko indray ary toa efa valin-teny mifandraika tamin’izany no nataon’ny Filoham-pirenena nanao hoe : manentana ny mpandraharaha malagasy rehetra mba hampiasa ny volany eto Madagasikara mba ho fampandrosoana ny firenena. Ny Filoham-pirenena izay nifona tamin’ny vahoaka ihany koa noho ny disadisa sy ny fahoriana maro isan-karazany nateraky ny olana politika nandritra ny fitondrana nifandimby. Tsy mbola tapitra ny fampihavanana na dia efa goavana aza ny ezaka vita. Mbola misy ny dingana hafa tsy maintsy irosoana dia ny fifampiresahana amin’ireo filoha Zafy Albert sy ny filohan’ny tetezamita teo aloha Andry Rajoelina izay samy tsy nanatrika ity dinika ho amin’ny fampihavanam-pirenena ity.


Andry Ratovo sy RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT