Ho sarotra ny fivoahana amin’ny fahantrana sy ny fahasahiranana, hoy i Tsianihy avy amin’ny ankolafy Ravalomanana Toliara. Tsy manana praograma maty paika amin’ny fampihenana ny fahantrana mianjady amin’ny vahoaka ny fitondram-panjakana ankehitriny, hoy izy, fa manao
« copie coller » ny praograman’ny prezidà Ravalomanana fotsiny. Potika ny bankin’ny mpiompy malagasy tamin’ny alalan’ny asan-dahalo. Tsy vitan’ny fitondrana ny manafoana ny asan-dahalo na teo aza ny dahalo niova fo sy nilavo lefona. Nanampy trotraka izany koa ny fanomezana alalana ny Sinoa hanangana abatoara etsy sy eroa hamonoana omby amin’ny Faritra sasantsasany nefa tsy misy fepetra na “mesure d’accompagnement” nampiarahana taminy. Efa lany tamin’ny asan-dahalo dia mbola holaniana amin’ny abatoaran’ny Sinoa koa. Hitohy ny fahasahiranam-bahoaka, any Toliara, raha izao no mitohy. Ny vahiny tsy mijery ny tombontsoan’ny Gasy fa migoka ny harem-pirenena ka lasa tompony mangataka ny atiny isika, mipitrapitra anaty fahantrana. Tsy takona afenina ny fahasahiranam-bahoaka. Miantso vonjy ny fitondram-panjakana hanosika azy ahafahan’ny firenena mihetsika. Amin’ny maha zanaka tantsaha ny tenako dia miantso ny Malagasy tsara sitrapo ny tenako mba hanao ny voina mahatratra. Vonjy tavanandro anefa izany.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.