Politique

Antso avy any Toliara Aza potehina ny bankin’ny mpiompy


  • Alatsinainy 09 Febroary 2015

Ho sarotra ny fivoahana amin’ny fahantrana sy ny fahasahiranana, hoy i Tsianihy avy amin’ny ankolafy Ravalomanana Toliara. Tsy manana praograma maty paika amin’ny fampihenana ny fahantrana mianjady amin’ny vahoaka ny fitondram-panjakana ankehitriny, hoy izy, fa manao

 « copie coller » ny praograman’ny prezidà Ravalomanana fotsiny. Potika ny bankin’ny mpiompy malagasy tamin’ny alalan’ny asan-dahalo.   Tsy vitan’ny fitondrana ny manafoana ny asan-dahalo  na teo aza  ny dahalo niova  fo sy nilavo lefona. Nanampy trotraka izany koa ny fanomezana alalana ny Sinoa hanangana abatoara  etsy sy eroa hamonoana omby amin’ny Faritra sasantsasany nefa tsy misy fepetra na “mesure d’accompagnement” nampiarahana taminy. Efa lany tamin’ny asan-dahalo dia mbola holaniana amin’ny abatoaran’ny Sinoa koa. Hitohy ny fahasahiranam-bahoaka, any Toliara, raha izao no mitohy. Ny vahiny tsy mijery ny tombontsoan’ny Gasy fa migoka ny harem-pirenena ka lasa tompony mangataka ny atiny isika,  mipitrapitra  anaty fahantrana. Tsy takona afenina ny fahasahiranam-bahoaka. Miantso vonjy ny fitondram-panjakana hanosika azy ahafahan’ny firenena mihetsika. Amin’ny maha zanaka tantsaha ny tenako dia miantso ny Malagasy tsara sitrapo ny tenako mba hanao ny voina mahatratra. Vonjy tavanandro anefa izany.

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT