Mihazakazaka ny toe-draharaha taorian’ny nanaovan’i Neny Lalao Ravalomanana fanambarana miantso fitoniana sy fampihavanam-pirenena ny alatsinainy teo. Re izao fa tonga tany Antsiranana nihaona tamin’ny filoha Marc Ravalomanana tao amin’ny Amirauté ny lehiben’ny Etamazaoron’ny Tafika malagasy, ny jeneraly Béni Xavier Rasolofonirina omaly. Tsy nisy nipika ny dinika, nefa tombanana fa tafiditra amin’ny fanomanana ny famerenana tsy ho ela ny filoha Ravalomanana eto an-drenivohitra ity fihaonana ity.
Manan-danja
Mbola porofo mivaingana indray ity fihaonana ity fa manana ny maha izy azy amin’ny fiainan’ny firenena ity filoha teo aloha ity, ka tsy manan-tsafidy ny fitondram-panjakana fa tsy maintsy miresaka sy mifandinika aminy ny amin’ny fanantanterahana ilay fampihavanam-pirenena. Raha olona tsy manan-danja mantsy i Marc Ravalomanana dia efa navela nihidy tany am-ponja ary tsy nisy mpitsidika, tsy nisy mpanontany. Mazava anefa ny resaka izao fa ilaina ny traikefany sy ny fahaizany amin’ny fanavotana ny firenena. Azo ifampiresahana ny zava-drehetra, azo ifandaminana, ary tsy maintsy ampandeferina ny hambom-pon’ny tsirairay avy rehefa ny tombontsoa ambonin’ny firenena no tsinjovina. Mahafantatra tsara ny fitondrana Rajaonarimampianina fa miankina amin’ny fahaizany mandamina ny raharaha Ravalomanana ny hoaviny. Ny talen’ny kabinetran’ny fiadidiana ny repoblika dia efa nanamafy fa handray anjara amin’ny fampihavanam-pirenena atao eto Madagasikara ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.