Politique

Antsiranana Jirama tsy mandoa trosa, maizina ny tanŕna


  • Talata 13 Oktobra 2015

Sady matetika no maharitra ny fahatapahan-jiro ao an-tanŕnan’Antsiranana amin’izao. Efa nanomboka ny faran’ny herinandro teo io, saingy nihamafy izany omaly alatsinainy 12 okotobra, araka ny efa nampiomanan’ny mpiasan’ny ENELEC, orinasa mpamatsy herinaratra ny Jirama hotsinjarain’ity farany amin’ny mpanjifany ao Antsiranana, fa hiroso amin’ny “service minimum” izy ireo raha tsy mivahana ny olana.

 

Trosa miavosa efa hatramin’ny fiandohan’ny taona 2015 tsy voaloan’ny Jirama no fototry ny olana, tsy fandoavan-trosa izay mitarika fahataran’ny karaman’ny mpiasa volana septambra sy ny fikojana ireo milina mpihary herinaratry ny ENELEC. Ny foibem-pitondran’ny orinasa mihitsy no nampahafantatra ny mpiasa io fahataran’ny fandoavan-karama vokatry ny tsy fandoavan’ny Jirama ny trosany io. Ny mpanjifa no mizaka ny volana. Maizina ny tanàna, zara fa mandeha ny jiro. Ny tena mampitaraina ny mpanjifa anefa dia arakaraka ny mampahery vaika ny delestazy no miakatra 100% ka hatramin’ny 200% ny faktiora.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

Hijery ny tohiny
FTT