Valo tamin’ireo kandidŕ 12 nametraka ny antontan-taratasiny tao amin’ny Ovec Antsirabe no voaray ka nahazo ny taratasy fankatoavana ny maha kandidŕ azy ho an’ny fifidianana ben’ny tanŕna ho avy io
. Raha ny nambaran’ny filohan’ny Ovec Antsirabe dia tsy fahatomombanana teo amin’ny antontan-taratasy no antony. Anisan’ireo voatazona ny Kandidan’ny Farimbona tarihin’Atoa Rakotomalala Justin, ny TIM tarihin’Atoa Tovo Rararijaona, ny Trans Kool, Arema, ny Inoh, Ny Marina, ny HVM ary ny Mampiray. Voatsipaka kosa ny Arema notarihin’atoa Ravelomanantsoa Elysé, izay aotra avokoa ireo taratasy rehetra notakiana taminy. Ho an’ireo kandidà hafa toy ny Leader Fanilo sy ny MDM ary ny tsy miankina iray dia fahabangana ihany ny azy saingy ny MDM ihany sisa no afaka mitaraina any amin’ny Cenit raha toa ka mbola te hanohy ny fifaninanana izy ireo, satria ireo telo hafa dia karazan’ny efa tapitra teo amin’ny Ovec antsirabe ny lalany. Raha ny fantatra moa dia ny Cenit no mamoaka ny lisitra farany ofisialy hahafantarana ireo tena kandidà.
Caius R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.