Kisendrasendra sa misy ifandraisany amin’ny fifidianana efa antomotra ? Io no fanontaniana mipetraka manoloana ny hisian’ny fihaonambe nasionalin’ny sendikan’ny Administratera sivily eto Madagasikara (SYNAD) hatao any Morondava ny 21 sy 22 septambra ho avy io.
Ny mpandraharaham-panjakana dia heverina hatrany fa anisan’ny andry iankinan’ny fampandehanana ny raharaham-pirenena iray satria izay amin’ny ankapobeny no nanofanana azy ireo teny amin’ny ENAM na ny Sekoly ambony fanofanana ho mpiasam-panjakana ambony. Azo antoka fa tsy maintsy hisy akony amin’izay raharaham-pirenena izay ity fihaonambe hatao any Morondava ity.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.