Politique

Antokom-Bahoaka Malagasy “Fanatsarana fiainana fa tsy fandanilaniam-poana no andrasana”


  • Zoma 18 Janoary 2019

Tanterahana anio ny famindram-pahefana eo amin’ny filoha teo aloha sy ny filoha vaovao ary rahampitso faha 19 janoary no hatao eny Mahamasina no fotoana hanatanterahan’ny filoham-pirenena vaovao ny fianianany.

 

 

 Naneho ny heviny manoloana izany ny filohan’ny Antokom-Bahoaka malagasy (ABA), Dany Rakotoson. Ny andrasana amin’ny filoha vaovao, hoy ny tenany, dia ny fitarihana ny vahoaka hanana fiainana tsara. Anisan’ny firenena farany mahantra isika ka tokony hifanaraka tsara amin’ny ilain’ny vahoaka ny zavatra hatsangana mba tsy ho fandanilaniam-poana. Tsara ny Coliseum, hoy ny tenany, saingy na ireo artista aza tsy afaka mampiasa azy araka ny tokony ho izy. Mila fiaraha-mientana amintsika vahoaka miisa 25 tapitrisa ihany koa anefa ny antoka ho amin’ny fampandrosoana fa tsy tokony hankinina amin’ny mpitondra fotsiny. Mora ny manao tranobe sy ny manao tramway saingy tena laharam-pahamehana amin’ny vahoaka ve izany ? Ny ABA dia tsy hijoro ho mpanohitra fa mpanitsy ny tsy mety kosa mba tsy ho sakana ho amin’ny fampandrosoana.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

Hijery ny tohiny
FTT