Politique

Antoko Zanak’i Madagasikara Tsy tokony hitsabaka amin’ny kitapom-bolam-panjakana intsony ny filoha


  • Alarobia 30 Mey 2018

Omaly talata 29 mey no nanao fanambarana tetsy amin’ny Hotely Telozoro Andrefanambohijanahary ny antoko Zanak’i Madagasikara (ZAMA).

 Manoloana ny fitotongan’ny fiarahamonina sy ny tontolo ara-politika ary ara-toekarena dia nanao fanambarana izy ireo fa tokony hoesorina tsy ho eo ambany fiahian’ny filoham-pirenena intsony ny fitantanana ny kitapom-bolam-panjakana. Mila hajaina ny lalàna velona sy ny lalàmpanorenana. Mitaky ny handravana ny governemanta ihany koa ny antoko ZAMA satria ireo ihany, hoy izy ireo no fositr’izao korontana hita izao ka tsy atokisana ny hitantanany ny fifidianana hatao eto Madagasikara. Araka izany dia governemanta tarihin’olona tsy homba ny atsy na ny aroa no tsara hasolo eo mba handinika sy handamina tsara ny fifidianana. Manoloana ny fanapahan-kevitry ny Fitsarana Avo momba ny lalàmpanorenana dia betsaka ireo fehezanteny tsy miendrika didim-pitsarana fa fitsabahana ny andraikitry ny rafi-pahefana izay tsy mampanjaka ny firenena tan-dalàna tokony hampiharina eto Madagasikara. Nanambara ihany koa izy ireo fa tokony hasiana mason-tsivana mangarahara ny olona izay hiditra ao anatin’ny governemanta iraisana mba tsy hanaovana tantely afa-drakotra ny fiainam-pirenena. Nanamafy ireto farany fa hiady mafy amin’ny fampangaraharana ireo fidiram-bola sy fandaniam-bolam-pirenena  rehetra ary handray anjara amin’ny fifidianana rehetra eto Madagasikara.

Tsiry

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

Hijery ny tohiny
FTT