Mizotra any amina dingana vaovao hatrany ny raharaham-pirenena ary sesilany ihany koa ireo fanehoan-kevitra mifandraika amin’izany.
Anisan’ny soso-kevitra nomen’ny filohan’ny antoko Tolon’ny Vahoaka Malagasy (ToVM), Olivier Vaovolo Razafindratoha, ny hoe maninona raha atao toy ny tamin’ny 30 oktobra 1991 izy ity ka hidiana anatina efitrano iray indray ireo mpifanandrina politika rehetra ary tsy avelan’ireo mpitandro ny filaminana hivoaka raha tsy mahatafavoaka marimaritra iraisana. Rehefa natahotra ny hotifirina variraraka, hoy izy, ireo mpanapa-kevitra dia nahatafavoaka tondrozotra ihany. Tsy olana na hijanona ho filoham-pirenena am-boninahitra aza i Hery Rajaonarimampianina. Toy ny tamin’izany i Norbert Lala Ratsirahonana no nitantana ny HAE na ny tetezamita fa mijanona ho filoha am-boninahitra ary tsy manapa-kevitra i Didier Ratsiraka. Raha tian’ny filoha ankehitriny anefa ny mbola hahatsara ny ho avy politikany dia tsaratsara ho azy ny mametra-pialana, hoy hatrany ny filohan’ny ToVM.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.