Mandray ny andraikitra feno amin’ny maha filohan’ny Antoko Tim na ny Tiako i Madagasikara azy tanteraka amin’izao fotoana Atoa Marc Ravalomanana. Nivory voalohany tao Antsirabe omaly alarobia ny birao politikan’ny antoko TIM notarihin’ny filoha nasionaliny
. Nandritra ity fihaonana ity no nanaovana ny famindram-pitantanana teo amin’Atoa Razoarimihaja Solofonantenaina sy ny filoha vaovao Marc Ravalomanana amin’ny fitantanana ny antoko. Taorian’izay dia nisy ny fehin-kevitra noraisin’ny birao foibe ka anisan’izany ny manodidina ny fiainan’ny antoko sy ny raharaham-pirenena. Nanambara moa ny filoha Ravalomanana fa fomba vaovao manaraka ny fenitra iraisam-pirenena sy ny hampiharin’ireo firenena matanjaka aty Afrika no hitantanany ny TIM manomboka izao ary hezahiny hampitaina amin’ireo mpikambana rehetra izany fanaovana politika izany. Mikasika ny raharaham-pirenena kosa dia mbola nohamafisiny fa misedra olana ny Firenena, ary tandindonin-doza ny fahamarinan-toeran’ny andrimpanjakana noho ny olana sy fifandirana eo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika sy ny Antenimieram-pirenena. Soso-kevitra mbola nohamafisiny tany Antsirabe ny “tsy hanesorana ny filoham-pirenena sy ny tsy handravana ny Antenimieram-pirenena” mba hisian’ny fitoniana hatrany. Mitaky fifampiresahana sy fifampidinihan’ny Andrim-panjakana roa, ka hifanekena ny hametrahana “Pacte pour la stabilité”.
Caius R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.