Politique

Antoko TIM Hiatrika kongresy amin’ny 22 mey


  • Alatsinainy 18 Mey 2015

Mpizaika manodidina ny 3 000 no hanatrika ny kongresin’ny Antoko Tiako i Madagasikara eny amin’ny Magro Tanjombato ny zoma 22 mey ho avy izao, araka ny nambaran’ny birao politikan’ny antoko ny sabotsy lasa teo.

 

Kongresy fahatelo ho an’ny Antoko TIM io ary voalohany taorian’ny niverenan’ny filoha mpanorina Ravalomanana Marc teo Madagasikara. Voalaza fa  tena solontenan’ny TIM manerana ny nosy no ho avy eo, ho avy eo koa ny lehiben’ny rafitra Distim, Comtim, Fokotim ary ireo kandida ben’ny tanàna avy amin’ny Tim manerana ny nosy. Hoporofoinay amin’io fa antoko matanjaka, manana ny maha izy azy ny Tiako I Madagasikara, hoy ireo mpitarika. Zavatra maro no dinihana mandritra ity kongresy ity, hoy hatrany ny fanazavana, ny dinam-piarahamonina, ny fametrahana ny birao politika nasionaly hitantana ny Tim amin’ny fe-potoana manaraka. Ankoatra ireo mpikambana TIM manerana ny nosy moa dia nasaina ihany koa ireo olona ivelany.


RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

Hijery ny tohiny
FTT