Tafaresaka sy nitafatafa tamin’ireo Ben’ny tanàna sy lefiny ary filoham-pokontany isan-tokony tany Avarabaratry ny Nosy iny izahay mpitantana avy aty Antananarivo tahaka ny tenako sy i Me Hanitra, hoy ny Kestora III
eo anivon’ny Antenimieram-pirenena, ny alakamisy teo tany Andapa ary ny zoma 5 septambra tany Sambava, tamin’ny fandalovanay tany ka nahatsapa fa mbola tena mipetra sy miasa ara-dalàna ny antoko Tiako i Madagasikara any amin’ireo toerana ireo. Nifampizara vaovao ny roa tonta, hoy izy, ka tamin’izany no nampahalalana tsara azy ireo fa efa antsika ny TIM izao ka Atoa Razoarimihaja Solofonantenaina no filoha mpitarika azy. Nohazavaina tamin’izy ireo koa ny zava-misy marina amin’ny tolona fampodiana ny filoha Marc Ravalomanana an-tanindrazana. Mikasika ny raharaham-politika eny anivon’ny Antenimieram-pirenena,indrindra mikasika ilay fanaovana fanambaram-pananana dia nanamafy ity Kestora ity fa izy irery hatreto araka ny fantany no efa nanao ny fanambaram-pananana teny anivon’ny Fitsarana avon’ny lalàm-panorenena ary efa tamin’ny faha-14 jona 2014 lasa teo no nanaovany izany. Voafaritry ny lalàna velona eto amintsika izany ary ny tena dia tombon’andraikitry misahana ny tan-dalàna sy ny fanjakana tsara tantana ka manaja izany tanteraka . Tsy nanatitra tombam-panana tany amin’ny Bianco aho, hoy izy satria any amin’ny Hcc no voalazan’ny lalàna ka any ry zareo no tokony maka raha misy ilany izany.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.