Politique

Antoko TIM -Andapa sy Sambava “Mbola mipetraka sy miasa tsara”, hoy i Guy Rivo Randrianarisoa


  • Alakamisy 11 Septambra 2014

Tafaresaka sy nitafatafa tamin’ireo Ben’ny tanŕna sy lefiny ary filoham-pokontany isan-tokony tany avarabaratry ny Nosy iny izahay mpitantana avy aty Antananarivo tahaka ny tenako sy i Me Hanitra, hoy ny Kestora III

eo anivon’ny Antenimieram-pirenena, ny alakamisy teo tany Andapa ary ny zoma 5 septambra tany Sambava, tamin’ny fandalovanay tany ka nahatsapa fa mbola tena mipetra sy miasa ara-dalàna ny antoko Tiako i Madagasikara any amin’ireo toerana ireo. Nifampizara vaovao ny roa tonta, hoy izy, ka tamin’izany no nampahalalana tsara azy ireo fa efa antsika ny TIM izao ka Atoa Razoarimihaja Solofonantenaina no filoha mpitarika azy. Nohazavaina tamin’izy ireo koa ny zava-misy marina amin’ny tolona fampodiana ny filoha Marc Ravalomanana an-tanindrazana. Mikasika ny raharaham-politika eny anivon’ny Antenimieram-pirenena, indrindra mikasika ilay fanaovana fanambaram-pananana dia nanamafy ity Kestora ity fa izy irery hatreto, araka ny fantany, no efa nanao ny fanambaram-pananana teny anivon’ny Fitsarana avon’ny lalàm-panorenana ary efa tamin’ny faha-14 jona 2014 lasa teo no nanaovany izany. Voafaritry ny lalàna velona eto amintsika izany ary ny tena dia tompon’andraikitra misahana ny tan-dalàna sy ny fanjakana tsara tantana ka manaja izany tanteraka. Tsy nanatitra tombam-pananana tany amin’ny Bianco aho, hoy izy satria any amin’ny Hcc no voalazan’ny lalàna ka any ry zareo no tokony  haka raha misy ilany izany.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotĂ m-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

Hijery ny tohiny
FTT