Politique

Antoko Teza “Tokony hisy fitsapan-kevi-bahoaka eto !”


  • Alarobia 23 Mey 2018

Efa naverimberinay hatrany, hoy ny filohan’ny antoko Teza, Jean Louis Rakotoamboa fa ny fitsipiky ny demokrasia eto, izany hoe, ny lalàmpanorenana, ny lalàna mifehy ny antoko, ny lalàm-pifidianana, ny lalàna mifehy ny fifandraisana sy izay misy rehetra no tokony hovana sy hahitsy vao miditra amina dingana hafa.

 

 

Tsy mety raha io lalàmpanorenana efa olana io ihany no mbola hakana vahaolana. Hifandrirotra toy ny siligaoma eto isika. Ka raha alana ary ny filoham-pirenena kanefa mbola io lalàm-pifidianana maloto io ihany no hanaovana fifidianana dia hisy dikany ve ? Tsy maninona na mijanona ho toy ny tandindona eo fotsiny aza ny filoham-pirenena fa mialoha ny zava-drehetra aloha dia hatsangana ny governemanta misy minisitra 22 tarihana fiarahamonim-pirenena na fiarahamonim-pirenena sy miaramila. Ny mpanao politika kosa etsy an-kilany miady hevitra mandritry ny 1 taona mamolavola lalàmpanorenana vaovao. Hifanarahana fa averina amin’ny laoniny ny fandriampahalemana sy ny fanarahan-dalàna, ny sosialim-bahoaka sy ny toekareny, diovina ny fiainam-pirenena ary atao io adihevitra nasionaly io mialoha ny hirosoana amina fitsapan-kevi-bahoaka. Ny vahaolana ivelan’izay dia resaka fotsiny.

J. Mirija


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

Hijery ny tohiny
FTT