Politique

Antoko TEZA Fifidianan’i Baroa no misy eto


  • Alarobia 26 Septambra 2018

Raha jerena ny fanarahan-dalàna amin’ny propagandy dia be ny kolikolim-pifidianana, hoy ny filohan’ny antoko Teza Rakotoamboa Jean Louis.

 

 

Ny fizarana zavatra, ny fanomezana vola … dia endrika kolikoly aminay. Maninona raha tamin’ny fotoana tsy nanaovana “campagne” no hanaovana an’ireny, ary raha hanasoa ny firenena ianao maninona no tsy tamin’ny fotoana fanaovana fampielezan-kevitra ? Eo ihany koa ny fampidirana sy famotsiana vola maloto. Avy aiza ireny vola ireny ary mba aiza ny samiffin sy ny Bianco amin’ny fanaraha-maso an’ireny ? Tsy misy miteny satria harovan’ny praiminisitra sy ny minisiteran’ny atitany ary ny fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana na ny HCC, hoy hatrany Rakotoamboa Jean Louis. Izay no hilazan’ny TEZA fa fifidianan’ny Baroa no misy eto amintsika. Rehefa fifidianana samy manao izay tiany hatao tahaka an’io, dia hiafara amin’ny ady ary hikorontana ambony ambany io, hoy izy ireo. Noho izay fahatsapana izay dia milaza ny tsy handray anjara amin’ny fifidianana izy ireo, izay mivoy ny hoe: aleo aloha hapetraka ny fitsipi-dalao hifampierana tsara. Anisan’izany ny lalàmpanorenana, lalàm-pifidianana, lalàna mikasika ny antoko, ny lalàna mifehy ny serasera, ny zo ara-demokratika, toy ny fanehoan-kevitra an-dalambe … Rehefa mipetraka izany, izay lany eo na iza na iza dia lolohavina an-tampon’ny loha, hoy ny antoko TEZA.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT