Politique

Antoko Teza “Babakotom-bazaha no homanina amin’izao !”


  • Alakamisy 11 Oktobra 2018

Ny fahatsapana sy fahazoana ilay mila ovana ny fitsipi-dalao rehetra angamba no samy nanana ny azy, hoy ny filohan’ny antoko Teza, Jean Louis Rakotoamboa.

 

Mila mijoboka ny sasany vao mahatsapa. Manao izay danin’ny kibony ny HCC nefa tsy anjarany ny manao ny lalàna mifehy ny fifidianana. Tsy mahagaga raha nanao izay danin’ny kibony tamin’ny fanomanana fifidianana. Ny CENI dia olona notendren’ny fahefana mpanatanteraka daholo no any ifotony. Ahoana no hahafahana mino fahaleovantenan’ny CENI amin’izany ? Ny kandida, maro amin’ny volan’izy ireo no tsy mandalo lalan’ny banky (circuit bancaire). Hatramin’izao, tsy misy ilay tabilao fametrahana fampielezan-kevitra foana any ambanivohitra. Ny CFM ve ao anaty fitsipi-dalao maloto no hampanao sata ? Mampahatsiahy an’Itompokolahy Herizo Razafimahaleo izay te hametraka etika politika tamin’ny fotoan’androny. Rehefa aravina dia tsy misy afa-tsy rafi-panomanana fifidianana hanomanana babakotom-bazaha hapetraka eto no hita amin’izao fizotrany izao, hoy hatrany izy.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT