Vonona ny hiroso amin’ny tena fampihavanam-pirenena ny Teza, hoy ny filoha nasionaliny Rakotoamboa Jean Louis.
Fepetra takian’ity antoko politika ity kosa anefa ny famoahana ny zava-misy marina nitranga teto amin’ny firenena. Ilaina fantatra ireo tompon’andraikitra nahatonga ny vahoaka Malagasy ho mahantra sy fadiranovana tahaka izao, araka ny fanazavany. Azo atao tsara ihany koa ny mamolavola Lalàmpanorenana vaovao saingy tsy maintsy ifanarahana sy eken’ny besinimaro. Teboka iray lehibe tokony hifampidinihana sy hifandresen-dahatra eo amin’ny hery velona rehetra ny momba ny tontolon’ny fifidianana. Iaraha-mahalala mantsy fa io tranga politika io no fototry ny korontana tsy mampilamina hatrany ny raharaham-pirenena eto Madagasikara hatramin’ny niverenan’ny fahaleovantena ny taona 1960. Zava-dehibe mila faritana mazava ao anatin’ny lalàna mifehy ny fifidianana koa ny fidiram-bolan’ireo antoko politika mijoro ara-dalàna eto amin’ny tanintsika, hoy ity lehiben’ny antoko Teza ity. Manjakazaka sy manao izay danin’ny kibony foana mantsy hatrizay ireo antoko eo amin’ny fitondrana, indrindra mandritra ny fifidianana na izany eo amin’ny fampiasana olona miaraka amin’ny fitaovam-panjakana na eo amin’ny gaboraraka amin’ny fitantanam-bola.
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.