Politique

Antoko Tambatra “Tokony ho lohalaharana hitaky fanorenana ny sendika”


  • Sabotsy 16 Jona 2018

Hiraisanay amin’ny depiote 73, hoy ny filohan’ny antoko Tambatra, Pety Rakotoniaina, ny tsy fanekena izao fitondrana izao.

Lavinay kosa anefa ny hoe fifidianana no hatao aloha. Marina sy mitombina avokoa ny fitakiana sendikaly nisy nanomboka ny taona 1991 ka hatramin’izao saingy ny olana dia tsy nety nanana fahafahana hamaly azy ireny ny mpitondra nifandimby. Izay no ilana fanorenana ifotony aloha. Ny sendika no tokony ho lohalaharana amin’ny fitakiana an’io. Ahoana no hahafahan’ny Malagasy hitantana ny hareny ka tsy hiankinan-doha amin’ny any ivelany ? Rehefa haintsika ny mitantana an’io, hoy hatrany izy, dia azo atao ny miantoka ny fiainan’ny zaza manomboka eo amin’ny EPP ka hatrany amin’ny CEG. Toy izany koa ny fahazoana fitsaboana maimaimpoana eny amin’ny hopitalim-panjakana. Izay no atao hoe fanorenana. Izay hitantana hahatongavana amin’izany tsy olana fa tsy hidongy seza amin’izay izahay fa ny zava-dehibe dia hoe apetraka ho laharam-pahamehana ilay izy.

J. Mirija


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

Hijery ny tohiny
FTT