Tsy takona hafenina intsony fa mandalo fotoan-tsarotra ny firenena ary an-dalana mankany amin’ny krizy vaovao indray isika, hoy ny antoko Tambatra.
Efa nambara ombieny ombieny, fa tsy vahaolana ho an’ny firenena ity fifidianana natao amboletra ity, ary efa hitanay fa tsy maintsy hiafara amin’izao, hoy ny fanambaran’izy ireo ny sabotsy 5 janoary teo. Tsy nitsitsy fitenenana ny Tambatra nilaza fa mazava ny hala-bato tamin’ny endriny isan-karazany. Nambara fa tsy nangarahara, nitanila ny governemanta Ntsay Christian nampandany ny kandida faha-13 tamin’ny alalan’ny minisitry ny atitany. Mibaribary ireo tandrevaka nataon’ny CENI, ka ny lehibe dia ilay tsy fametrahana “numéro de séries” tamin’ny bileta tokana, izay takian’ny lalàna ny tsy maintsy hametrahana azy. Nanambara mazava ny Antoko Tambatra fa miombom-peo amin’ny vahoaka eto Antananarivo sy ny vahoaka Malagasy manontolo amin’ny fitakiana ny fahamarinana izay hatao eo amin’ny Kianjan’ny 13 mey. Tany demokratika rahateo i Madagasikara ka tokony halalaka ny fanehoan-kevitra. Hatsahatra ny ramatahora sy ny fisamborana ary ny fampiasan-kery isan-karazany. Takian’ny Antoko Tambatra ihany koa ny famoahana an’i Pety Rakotoniaina Filoha Nasionalin’izy ireo, izay hany sahy nijoro niteny voalohany ny hampanjakana ny fahamarinana. Takianay amin’ny HCC lazaina ho tompon’ny teny farany ny fanafoanana manontolo an’iny fifidianana feno hosoka natao tamin’ny 19 desambra iny, hoy antoko. Ny fanorenana ifotony no ambaran’izy ireo fa vahaolana hanarenana ny firenena.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.