Manomboka mikorontana hatrany ny firenena noho ny fizarazaran-kevitra eo amin’ireo samy mpanao politika.
Olana hatrany amin’izao ny resaka fifidianana ka mahatonga fisamatsamahana sy tsy fitovian-kevitra maro samihafa. Nanapa-kevitra ny antoko politika Vahoaka Miray fa tsy hanohana kandida aloha hatreto taorian’ny fivorian’ny birao politika. Antony ny tsy fetezan-draharaha eto amin’ny firenena, indrindra ny fikorontanana sahady momba ity fifidianana atrehina atsy ho atsy ity. Nanambara izy ireo fa manameloka ny olona mampiasa ny anarany satria antoko politika mijoro ara-panjakana io ary enjehin’ny lalàna ny olona minia mampiasa izany. Miandrandra hatrany ny fifampidinihana sy ny fifandaminana hatrany moa izy ireo mba ho tombony hatrany ho an’ny vahoaka Malagasy.
Tsirinasolo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.