Politique

Antoko politika Otrikafo Aleo hifandamina ny samy Malagasy


  • Talata 08 Mey 2018

Mitohy hatrany ny fanambarana ataon’ny antoko politika mitsangana eto Madagasikara noho izao krizy misy eto amin’ny firenena izao. Anjaran’ny antoko politika Otrikafo indray ny naneho ny heviny omaly alatsinainy teny amin’ny foibeny eny Andravoahangy.

Taorian’ny fisaorana ireo tapaka sy namana Malagasy sy vahiny sy ireo mpanao gazety tonga nidodododo tamin’ny fahalasanan’ny filoha mpanorina Rajaonah Andrianjaka dia nilaza ny fomba fijeriny momba ny toe-draharaham-pirenena izy ireo. Nanambarany fa tsy tokony hitsabatsabaka amin’ny raharahan-tokantranon’ny Malagasy ny vahiny. Sanatria tsy fitiavana vahiny fa aleo hifandamina ny samy Malagasy mba tsy hiverimberenan’ny krizy politika tahaka izao. Nanentana ny Malagasy ny Otrikafo sy ny FLN (Front de Libération Nationale) ny amin’ny hetsika hataony ny talata izao. Hisy ny sorabaventy hanehoana ny tsy fankasitrahana amin’ny fidiran’ny SADC hanelanelana etsy Anosy mifanandrify amin’ny minisiteran’ny raharaham-bahiny.


Tsiry

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

Hijery ny tohiny
FTT