Politique

Antoko Politika Madio Haka fahefana aorian’ny 2030


  • Alatsinainy 21 Septambra 2015

Nanatanteraka ny fihaonambe voalohany teny amin’ny «Académie Nationale des Sports» Ampefiloha ny sabotsy folakandro teo ny Antoko Politika Madio tarihan-dRakotoarisoa Faniry Alban.

   Antony nanosika azy hanangana ny APM ny fahatsapana fa leo ny fanaovana politika maloto eto Madagasikara ny Malagasy maro an’isa ka anisan’izany ny tenany. Hampiavaka ity antoko politika vaovao ity rahateo ny fanoherana ireo tsy mahavita azy sy ny tsy mety rehetra eto amin’ny firenena, araka ny fanazavany. Tsy mitsikera ny fisian’ireo antoko politika marobe eto amin’ny tanàna akory ireo mpikambana ao anatiny fa ny fomba fitantanana ny fiarahamonina amin’ny ankapobeny mihitsy no tsy misy antenaina intsony raha izao no mitohy. Mijoro amin’ny fotokevitra afovoany tsy miandany amin’ny fahalalahana be loatra no tsy mirona mankany amin’ny sosialista ny APM, hoy i Gangstabab. Raha tsorina dia ho mpanohitra ny tsy fahamarinana sy ny tsy rariny ny antoko no hankasitraka ihany koa ireo asa mendrika tanterahan’ny mpitondra fanjakana. Haka bahana sy hiomana fotsiny kosa aloha ny Antoko Politika Madio izay mihevitra haka ny fahefana aorian’ny taona 2030.

Ramano F.


 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

Hijery ny tohiny
FTT