Nivoaka tamin’ny fahanginany ihany koa ny antoko politika AKATA Zana-drazana omaly manoloana ny toe-draharaham-pirenena misy ankehitriny.
Niantso ny mpitondra sy ny mpanohitra ity antoko ity omaly mba hifantoka amin’ny zava-misy eto amin’ny firenena ka samy hitady vahaolana. Raha tsy izany dia hiantso ny razana mba hiditra an-tsehatra izy ireo. Ho an’ireo solombavambahoaka mitarika ny hetsiky ny fanovana dia 48 ora no nomen’ny AKATA Zana-drazana azy ireo mba hieritreritra. Toraka izany koa ny mpitondra sy ny vahoaka Malagasy mba samy handinika lalina. Tsy ekena intsony, hoy Rabeviavy izay mitarika ny AKATA ny fametrahana fitondrana tetezamita eto amin’ny firenena. Toraka izany koa ny ra mandriaka sy ny korontana satria efa tena reraka sy sahirana loatra ny vahoaka Malagasy. Miantso ireo tompon’andraikitra mba hitady vahaolana, araka izany, ny AKATA. Nomarihin’izy ireo fa ny firosoana amin’ny fifidianana malalaka sy mangarahara ary eken’ny rehetra ihany no tena vahaolana hisorohana ny fandrobana ny harem-pirenena sy ny fahantrana lalim-paka mety hitranga.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.