Mbola mitohy hatrany ny fitetezam-paritra izay ataon'i Saraha Rabeharisoa, kandidà filohan`ny Repoblika mitondra ny laharana faha-9 sy ny antoko PLD amin'ny fikarakarana ny fifaninanana "Dance Battle", ka ny tanoran'ny faritra Moramanga no nandray anjara tamin'ny sabotsy faha 29 septambra teo tao amin'ny kianjan'ny 1947.
Hita fa dia tena vonona sy manan-talenta ireto izy satria dia mpifaninana niisa 28 no nandray anjara tamin'ny fifaninanana. Sarotra ny nampizara ireo mpifaninana satria dia babany avokoa ireo niakatra an-tsehatra. Nobatain'ny Tarika Groupy anefa ny laharana voalohany noho ny seho miavaka izay nasehony. Taorian' ny fifaninana "dance battle" dia nitohy ny lanonana izay nafanain'i Tsiliva sy Kougar .
Voalohany teto Moramanga ny fisian'izao hetsika izao ary tena finaritra ny mponina satria fotoana nafahan'i mpianakavy nifaly. Nandray an'i Saraha Rabeharisoa ampifaliana ireo tanoran'i Moramanga. Marihina fa tao Antanikatsaka Itaosy no nanombohan'izany fifaninana “Dance Battle” izany tamin'ny volana Aogositra ary noho ny fahatsapana fa tena maro tokoa ireo tanora manan-talenta kanefa tsy sahy miseho na matahotra ny hiditra ao anatin'ny sehatry ny fifaninana dia nanapa-kevitra Rtoa Saraha Rabeharisoa fa mila fanentanana sy famporisihina amin'izany izy ireo.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.