Naneho ny heviny mikasika ny toe-draharaham-pirenena ankehitriny indray ny antoko Otrikafo ny faran’ny herinandro teo.
Nambarany fa tsy tokony hihazakazahana aloha ny fifidianana raha tiana hilamina ny firenena. Ny fifampiresahana eo amin’ny samy Malagasy sy ny fametrahana rafitra vaovao, hoy izy no mahamaika raha te handroso isika. Tsy tokony hampatahotra antsika akory ny tsy hanao fifidianana tsy hankasitrahan’ny any ivelany, hoy hatrany ny mpitondra tenin’ny antoko Otrikafo. Efa nisy mantsy antoko politika nahavita nanao fifidianana irery tsy notohanan’izy ireo tamin’ny taona 2013. Miantso ny hisian’ny fifampidinihana ity antoko iray ity hisorohana ny fifidianana. Fa ankoatra izay dia mangataka ny hanokafana ny lisi-pifidianana ihany koa ny antoko Otrikafo. Io mantsy no hita fa tena fositra, hoy izy ireo ka mila diovina sy karakaraina mba hisian’ny fifidianana madio sy mangarahara ary eken’ny rehetra.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.