Politique

ANTOKO OTRIKAFO Azo hatao tsara ny manao fifidianana, tsy ampian’ny any ivelany


  • Alatsinainy 05 Novambra 2018

Naneho ny heviny mikasika ny toe-draharaham-pirenena ankehitriny indray ny antoko Otrikafo ny faran’ny herinandro teo.

 

 

 Nambarany fa tsy tokony hihazakazahana aloha ny fifidianana raha tiana hilamina ny firenena. Ny fifampiresahana eo amin’ny samy Malagasy sy ny fametrahana rafitra vaovao, hoy izy no mahamaika raha te handroso isika. Tsy tokony hampatahotra antsika akory ny tsy hanao fifidianana tsy hankasitrahan’ny any ivelany, hoy hatrany ny mpitondra tenin’ny antoko Otrikafo. Efa nisy mantsy antoko politika nahavita nanao fifidianana irery tsy notohanan’izy ireo tamin’ny taona 2013. Miantso ny hisian’ny fifampidinihana ity antoko iray ity hisorohana ny fifidianana. Fa ankoatra izay dia mangataka ny hanokafana ny lisi-pifidianana ihany koa ny antoko Otrikafo. Io mantsy no hita fa tena fositra, hoy izy ireo ka mila diovina sy karakaraina mba hisian’ny fifidianana madio sy mangarahara  ary  eken’ny rehetra.

 

Pati

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT