Politique

Antoko MTS Manomboka mipatitaka ihany koa


  • Zoma 23 Janoary 2015

Izay vao vaky ny ady mangatsiaka teo amin’Atoa Razafimanantsoa Christian nitondra ny lokon’ny Malagasy Tonga Saina (MTS) tao Toamasina nandritra ny fifidianana solombavambahoaka, sy Atoa Roland Ratsiraka filohan’ny antoko.

 

 Nambaran’Atoa Razafimanantsoa Christian teo anoloan’ny ireo tanora mpiara-dia aminy, fa hiala tsy ho isan’ny mpikambana MTS intsony ny tenany manomboka izao fa hanangana ny azy manokana izay antsoina hoe Toamasina tena Tonga Saina (TTS). Raha ny tantara anefa dia anisan’ny mpanohana sy mpiara-dia ary tanan-kavanan’Atoa Roland Ratsiraka Razafimanantsoa Christain nanomboka ny taona 1998, izay nahatonga azy tafiditra in-droa miantoana tao anatin’ny lisitry ny mpanolotsain’ny kaominina MTS nandritra ireo fifidianana natao teo anivon’ny kaominina tao Toamasina. Noho izay koa no nahatonga azy ho mpitantana ny AS CUT amin’ny resaka hazakazaka ao Toamasina izao izay taranja natsangan’Atoa Roland ratsiraka tamin’ny naha ben’ny tanàna azy. Efa nisy aza ny fotoana notohanan’ny TIM sy ny MTS ny tenany ka nitarika ity filan-kevitra kaominalin’ny Toamasina ambonivohitra ity. Resaka tsy fanampiana ara-bola azy tamin’ny fifidianana solombavambahoaka teo no nambarany ampahibe maso fa nahatonga ny olana ka nahatonga ny faharatsian’ny vokatra azon’ny MTS tao Toamasina tampon-tanàna.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT