Politique

Antoko MFM « Tsy namanay ny mpanao ampihimamba ! »


  • Talata 02 Oktobra 2018

Teto Analamanga no namaranan’ny antoko politika Mpitolona ho an’ny Fandrosoan’ny Malagasy ( MFM) ny filankevi-paritrany omaly.

 

Nezahina notetezina nanatontosana filankevitra avokoa ireo faritra 23 misy ny MFM, hoy ny filohan’ny antoko, Manandafy Rakotonirina, saingy 16 izany no tratra. Antony nanaovana ny filankevi-paritra tetsy amin’ny Carlton Anosy omaly, ny fiomanana amin’ny vovonana ho atao ny zoma izao, hoy ny sekretera jeneraly, Olivier Rakotovazaha. Nifandraika tamin’izay indrindra moa ny fanazavana nentin’ny filohan’ny antoko mikasika ny antony tsy nanoloran’ny MFM kandida ho filoham-pirenena fa hanohanany kandida avy amin’ny antoko hafa kosa. Raha nanao vovonana ny antoko, hoy izy, fony izaho sekretera jeneraliny ny taona 1980 dia nilaza ireo mpikambana hoe andao ianao no harotsaka hifaninana amin’ny filoha Ratsiraka. Nanontany ny tenako tamin’izay hoe maharesy an-dRatsiraka any amin’ny faritra ve isika ? Dia hoy hatrany aho namaly izay fanontaniana izay hoe aleo manomana ny taona 1989. Mbola ho avy, hoy izy, ny fotoana hilazanay amin’ny fomba ofisialy izay hotohananay na dia efa fantampatatrareo ihany aza. Tsy namanay ny mpanao ampihimamba eo amin’ny sehatry ny fihariana. Izay tan-dalàna no namanay. Tokony hifampiraharaha amin’izay, hahay hifandamina fa tsy ho lany andro hifanagadra sy hifamono eto isika, hoy izy namarana azy, ary izahay dia matoky fa ho lany izay tohanan’ny MFM.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT