Tontosa soa aman-tsara ny faran’ny herinandro teo rehefa naharitra roa andro ilay vovonana notanterahin’ny antoko MFM teny Ambatomirahavavy, nentin’izy ireo nifanakalozan-kevitra sy nifandresena lahatra.
Mpikambana mihoatra ny 750 manerana ny Nosy no tonga niatrika izany teny an-toerana sy nifanakalo hevitra manoloana ny fivoaran’ny toe-draharaham-pirenena misy ankehitriny, indrindra fa ny fifidianana. Nambaran’ny filoha nasionaliny Atoa Manandafy Rakotonirina nandritra izany fa zanaky ny mangotraka ny MFM ka tsy matahotra ny mangorovitsika. Antoko manana ny fomba fiasany sy ny fijeriny manokana ny MFM hoy hatrany izy noho izany tsy maintsy mandray anjara feno amin’ny raharaham-pirenena rehetra misy. Nambaran’izy ireo tamin’izany ary fa ny filoha teo aloha Hery Rajaonarimampianina no nosafidiany hotohanana. Raha tsiahivina moa dia handray anjara amin’ireo karazana fifidianana misy eto amin’ny firenena ihany koa ny MFM manomboka any amin’ny fametrahana ny sefom-pokontany ka hatrany amin’ny fifidianana izay ho solombavambahoaka.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.