Politique

Antoko MFM Ho an’ny taranaka any aoriana no ijoroan’ny mpitolona


  • Zoma 05 Desambra 2014

Miezaka hatrany manazava ny sain’ny olona manoloana ny zava-misy sy ny tantaran’ny firenena ny antoko MFM ary manitrikitrika fa tsy mbola vita akory ny tolona. Araka ny fanazavan’ny Filoha Nasionalin’ny Vehivavy MFM Ramatoa Rasoaniaina Malalatiana ohatra dia : « Tsy nijanona nitaky ny fampodiana ny Filoha Marc Ravalomanana an-tanindrazana ny MFM nanomboka tamin’ny 2009 mandrak’ankehitriny

Na dia teo aza ny fanambazana toerana avy amin’ny Mpanongam-panjakana  na  dia teo koa aza  aza ny  fivadihan’ny olona  tao amin’ny Ankolafy Ravalomanana  sasany  nitady toerana tany  amin’ny Filohan’ny Tetezamita   dia  tsy nivadi-belirano tamin’ny Tolona ny MFM.  Mampalahelo ny finiavan’ny sasany handrava ny risi-po atao hamaky bantsilana ny tetika handetehana  ny Filoha Marc Ravalomanana  amin’ny alalan’ny dinika Avo lenta tsy mety ahazoam-bokatra hatramin’izao ». Hoy ihany Ramatoa Rasoaniaina Malalatiana : « Tsy toy ireo sasany misisika etsy sy eroa mitady sy miaro seza mampalemin’ny herin’ny tolona fitakiana ny fampodiana ny Filoha Marc Ravalomanana eny Faravohitra  ny MFM ». Raha namerina ny antso nataony ho an’ny vahoakan’Antananarivo Renivohitra kosa ny Sekretera Jeneralin’ny Antoko MFM Rakotovazaha Olivier dia  nanamarika fa ho an’ny taranaky ny Malagasy any am-parany  no nijoroan’ny Filoha Marc Ravalomanana niaro ny maha masi-mandidy ny Firenena Malagasy eto Madagasikara ka nahatonga ireo “MAFIA” niketrika ny fanonganam-panjakana tamin’ny 2009 sy miezaka ny hamolaka azy hilavo lefona amin’ny fanagiazana azy any Antsiranana. Ary mbola ho an’ny taranaka faramandidy no mbola ijoroan’ny Mpitolon’ny Magro hatramin’izao na dia efa betsaka aza ny efa  vaky nandositra nivadika tamin’ny tolona nanomboka tamin’ny 2009 ka hatramin’izao. “Aza ny fiambonian’ny fitiavan-tanindrazan’ny tapa-porohana sisa tsy may sy akanga sisa nanamborana eto amin’ny Kianjan’ny MAGRO  no aetry hitovy torosy  amin’ny fitadiavana sy fiarovan-tsezan’ny Mpanao dinika Avo Lenta tsy ahitam-bokany hatramin’izao”, hoy izy.

Légende:Rakotovazaha Olivier, sekretera jeneralin’ny MFM

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT