Vonona hanosika ny fampandehanana ny fifidianana izay ho filoham-pirenena hotanterahina ny 7 novambra ho avy izao ny antoko MFM Faritanin’Antananarivo, tarihin’ny tompon’andraikitra voalohany ao aminy Atoa Ramaroson Hery.
Fantatra izany omaly nandritra ny filankevitra notanterahin’izy ireo tetsy amin’ny Le Pavé Antaninarenina, notarihin’ny filoha nasionalin’ny antoko Manandafy Rakotonirina sy ny Sekretera jeneraly Rakotovazaha Olivier. Nambaran’ity farany fa “tsy miova ny foto-kevitra ijoroan’ny antoko”. Ho an’ny filankevitra tahaka izao dia “tsy ny mpitarika ihany no manapaka ny zavatra tokony hatao fa iarahan’ny rehetra izany ao anatin’ilay zo hisafidy, zo hanan-kevitra ary zo ho olom-banona”. Tafiditra ao anatin’izany ny tsy firaisana petsapetsa amin’ny mpanongam-panjakana amin’ny alalan’ny fitondrana basy sy tafondro izay mahavery hasina ny isam-batan’olona… Ho an’Atoa Manandafy Rakotonirina kosa dia tsotra sy mazava ny azy. “Vonona ny antoko tarihiny handray anjara amin’ny fifidianana, hevitra izay tsy hiraisana amin’ny filoha teo aloha Didier Ratsirak”a. Hanohana kandida iray ihany koa ny antoko tarihiny amin’ny 07 novambra ho avy izao saingy mandritra ny “Vovonana” hotanterahin’ny antoko ny 05 oktobra ho avy izao vao hambaran’izy ireo amin’ny fomba ofisialy izany. Nomarihiny fa handray anjara amin’ny rafi-pitantanana ihany koa izy ireo toy ny eny anivon’ny fokontany, ny kaominina, ny mpanolotsaina kaominaly ary ny solombavambahoaka izay ilany olona enina isanisany.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.