Nanamafy ny antoko Maitso, tarihin’ny filoha nasionaliny Georget Alexandre omaly fa ny fialan’ny filoha Hery Rajaonarimampianina ihany no vahaolana eto amin’ny firenena ialana amin’ny krizy.
Arahina fanaovana fifidianana mialoha ny fotoana izany tsy ilana ny hevitr’ireo vahiny avy any ivelany intsony na iza na iza satria raharahan’ny samy Malagasy. Miantso ny mpitondra mba tsy hanao herisetra intsony ny antoko Maitso. Ampy izay ny ra latsaka. Ny fisian’izany ihany no nisian’ny olana teto amin’ny firenena. Niantefa tany amin’ny mpitandro ny filaminana ihany koa ny tenany mba hanaja ny ain’ny Malagasy satria ra iray ihany no mikoriana ao anatintsika mianakavy. Mikasika ny lalàna mifehy ny fifidianana moa dia nomarihin’Atoa Georget Alexandre fa ilay lalàm-pifidianana tamin’ny taona 2013 ihany no tokony hampiasaina satria tsy misy firenena iray eto ambonin’ny tany afaka manova ny lalàm-pifidianana ao anatin’ny enim-bolana mialoha ny fifidianana. Tsy tokony ho very fotoana hanao latabatra boribory intsony isika rehetra, hoy hatrany Atoa Georget Alexandre. Mila mametra-pialana avy hatrany ny filoha.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.