Nametra-pialana tsy filoha mpitarika ny “Antoko Madagasikara Vina sy Fanantenana” Andriamatoa Guy Maxime Ralaiseheno ary tsy ho mpikambana mpanorina intsony ihany koa.
Raha ny Fantatra dia ity antoko ity no hanolotra an'Atoa Orlando Robimanana ho kandida amin’ny fifidianana izay ho filoham-Pirenena ho avy izao. Raha ny re dia fanapahan-kevitra manokana fa tsy antony ara-politika izao nanosika an’Atoa Guy Maxime Ralaiseheno izao. Raha tsiahivina kely ny tantarany dia diso fanta-daza loatra amin’ny fijoroana mandrakariva ho an'ny tanindrazana ny lehilahy. Andrasan'ny maro araka izany ny hoe : hanohana an'iza ity mpanao politika iray ity amin’ny fifidianana ho avy izao izay fantatra ihany koa fa filohan'ny fikambanana Ben'ny tanàna teo aloha ary tsy nanaiky lembenana tamin’ny fifidianana mialohan'ny fotoana ny 20 Novambra 2010 izay saika notanterahin’ny tetezamita. Mbola izy ihany koa no nijoro tsy nanaiky ny fanonganam-panjakana nitranga tamin’ny taona 2009.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.