Mipatitaka amin`izao fotoana ireo antoko heverina ho lehibe eto Madagasikara.
Ny tena hahafantarana ny ankamaroan’ny antoko politika eto amintsika dia ny ady seza rehefa krizy sy ny fisehoana mandritra ny fampielezan-kevitra rehefa fifidianana. Aiza avokoa ireo antoko politika mantajaka fahiny toy ny Grad Iloafo, AKFM, RPSD, RPSD vaovao, UNDD, AME, Vonjy Iray tsy Mivaky… ? Ireo antoko lehibe sisa tavela sahy mijoro sy miatrika fifidianana dia ny PSD, ny AREMA ary ny TIM. Ny antoko politika misy amin`izao mantsy, dia saika niorina tamin`ny andron`ny tetezamita na fananganana antoko na fikambanana volana vitsivitsy mialoha ny fifidianana. Tsy re firy ireo antoko fahiny ireo saingy azo antoka fa hipoitra tampoka izy ireo rehefa ao anatin`ny propagandy tanteraka. Lasa manao mersenera sisa izy ireo ary tsy hita taratra intsony ny fitaizana ara-politika ny olom-pirenena sy fampianarana azy ireo ny maha zava-dehibe ny antoko politika eo amin’ny fiainan’ny firenena. Tsy mahagaga raha tsy hamoaka vahaolana matotra sy mahomby ary maharitra hivoahana amin’ny krizy ny mpanao politika eto amintsika, satria tsy miova tamin’ny fomba ratsy fanaony hatrizay. Voaporofo aloha fa tsy manana fototra matanjaka ny antoko politika rehetra najoro tamin`ny tetezamita. Mila manova famindra ny mpanao politika sy ny fomba fanaovana politika eto amintsika ary mila mampihatra ny sata sy lalàna mifehy ny antoko.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.