Politique

Antoko Leader Fanilo Olana ny teo amin’ny fampitan-kafatra


  • Alakamisy 30 Aogositra 2018

Anisan’ny manana kandida ho filoham-pirenena ihany koa ry zareo avy eo anivon’ny antoko Leader fanilo, tarihin’ny filohany Jean Max Rakotomamonjy.

 Fehezanteny famerin’ny mpanorina ny antoko fahavelony, Herizo Razafimahaleo, ny hoe : “Tsy nofy ny fitarihana fa ady”. Raha ny zava-nisy hatrany amin’ny Repoblika Voalohany no ho nankaty anefa dia tsy nety tafakatra ho filoham-pirenena mihitsy ny kandida avy amin’ity antoko ity. Teo amin’ny lafiny fampitan-kafatra, hoy ny mpandrindra eo anivon’ny antoko, Hary Razafindrazaka, no hita ho nisy olana. Maro no milaza fa tsara hatrany ny vinan’ny antoko Leader Fanilo hatramin’izay saingy saro-takarina. Ezahana, araka izany, ny hanarina izay amin’ity. Tsy niova ny tanjon’ny antoko, izay mizara telo amin’ny ankapobeny ary ezahana havaozina mifanaraka amin’ny toetrandro. Voalohany, ny fametrahana ny tena fitsinjaram-pahefana mba ho tonga any ifotony ny fampandrosoana. Faharoa, ny fametrahana tany tan-dalàna ary ny fahatelo dia ny fampangaraharahana ny tarehimarika azo itsarana ireo mpitondra.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

Hijery ny tohiny
FTT