Nangina tsy re feo firy ny avy eo anivon’ny antoko politika Hery vaovao ho an’i Madagasikara (HVM) taorian’ny fivoahan’ny valim-pifidianana, fihodinana voalohan’izay fifidianana ho filoham-pirenena farany teo.
Araka ny tenin’ny filoha mpanorina ny antoko, hoy ny mpandrindra ity antoko ity any Antsiranana, Amido, dia hijanona ho raiamandreny izy sy ny mpiaradia aminy. Na izany aza, hoy ity mpandrindra sady loholon’i Mandagasikara ity, dia miomana izahay ka rehefa mivoaka ny daty fampiantsoana mpifidy dia ho hitanareo eo ihany ny stratejianay. Vonona hanohy ny tantara politika ny HVM, hoy ny tenany, fa tsy hoe indray mandeha no manta vary dia handevin-tsotrobe. Vonona hiatrika ny fifidianana manaraka eo izahay na depiote io na ben’ny tanàna. Mbola vonona ny hitondra ny anjara birikiny amin’ny fampandrosoam-pirenena ny HVM, hoy ny loholona Amido.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.