Politique

Antoko HVM Mitaky ny fanafoanana ny fifidianana


  • Alatsinainy 19 Novambra 2018

Nisy ny tatitra nataon`ny antoko HVM mahakasika ny taratasy fitorian`ny vaomiera mahaleotena misahana ny fifidianana (CENI) sy ny tsy nety nataony tetsy amin`ny fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC) ny sabotsy lasa teo.

 

 

 

Mialoha ny fametrahana ny fitoriana dia nisy ny valandresaka niarahana tamin`ny mpanao gazety ka nampiseho porofo ny « commission juridique » n’ny kandida Hery Rajaonarimampianina fa misy ny hosoka sy hala-bato. Nabaribarin’ireto mpahay lalàna ihany koa ny tandrevaka sy ny tsy fanarahan-dalàna nataon’ny CENI tamin’ny fampiasana vata tsy mangarahara toy izay voafaritry ny lalàna. Nasehon’izy ireo tamin’izany ny bileta tokana maro be efa voamarika sy vita sonian’ny mpikambana ao amin’ny biraom-pifidianana. Raha tsiahivina, ny alin`ny 7 novambra, fotoana niroson`ny foibe fandatsaham-bato rehetra tamin`ny fanisana vato dia efa maro be ny olom-pirenena niezaka nisintona ny sain`ny rehetra nijoro ho vavolombelona fa maro ireo endrika hala-bato natao tamin`ny fifidianana farany teo iny. Porofo goavana nitondran`izy ireo ny fitoriana ankoatra ny fitarainan`ny vokatry ny tsy fampiasana vata fandatsaham-bato mangarahara sy ny olan`ny lisi-pifidianana tahaka izay hita tany amina birao fandatsaham-bato maro. Io andro io ihany no nametrahan’ity « commission juridique » ity fitoriana teny amin’ny Fitsarana Avo momba ny lalàmpanorenana ny momba ny hala-bato. Noho ny tsy fanarahan-dalàna sy fanaovana hosoka faobe izay no tena vontoatin`ny fitoriana ka miantso ny HCC hanafoana iny fifidianana ho filoham-pirenena vao vita ny 7 novambra 2018 lasa teo.

 

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT