Politique

Antoko HVM Mitady hijapy ny “Voromahery” fotsiny ?


  • Talata 21 Aogositra 2018

Nanaitra ny nitsanganan’ny vovonana politika “Voromahery” izay vondrona miaro sy manohana an’i Hery Rajaonarimampianina amin’ny fifidianana.

 

 

Tsikaritra ho hevitra iray hanarenana sy hiarovana an’i Hery Rajaonarimampianina teo anatrehan’ny laza ratsy noho ny nafitsoky ny olona sasany tao anatin’ny antokony dia ny HVM satria tsy takona hafenina sy tsy azo lavina fa nisy ireo toa nanipy hoditr’akondro an-dRajaonarimampianina tao, izay anisan’ny naharatsy laza ny fanjakana. Toa mitady ho takona ny HVM noho ny fisian’iny, ka na ny akon’ny kongresy tany Antsiranana nifanindry tamin’io aza tsy re. Nahagaga anefa fa tsy nanotrona ny lanonana fanambarana ofisialy tetsy amin’ny hotely Colbert i Virapin Ramamonjisoa ny zoma lasa teo, kanefa izy no tena tompon-kevitra sy nanorina ny Voromahery. Ny fanohanana an-dRajaonarimampianina no itovian’ny HVM sy ny Voromahery raha ny fahitana azy fa ny ankoatra izay dia toa samy maka ho azy. Tsy te hifampitsabatsabaka ve izy ? Mandeha sahady ny resaka fa tian’ny olon’ny HVM sasany hotsabahana sy hotaingenana na holotoina sahady ity Voromahery ity, ka malaza ny  mety fiezahana mampiditra olona ao, toy ny loholona HVM iray. Tsy mahagaga anefa ny mety ho fisian’izany satria ireo mpijapy lamasinina no nanatevin-daharana ny antoko HVM hatramin’izay. Rehefa maimbomaimbo tao anaty HVM ve dia hijapy masinina hafa ? Iray ny tanjon’ny roa tonta dia ny hahalany an-dRajaonarimampianina, saingy ny lalana no toa tsy mitovy. Tiana holotoina ve izany ilay hoe “voromahery” ka tonga amin’ny hanihany hoe hampidirana “vorondolo” hanaratsy endrika azy noho ny fiheverana fa takona ny HVM ?

Toky R sy Marigny A.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

Hijery ny tohiny
FTT