Miomana mafy amin’ny fiatrehana ny fifidianana ny antoko Hery Vaovaon’i Madagasikara. Manana ny paikadiny manokana izy ireo amin’ny fandrombahana ny maro an’isa amin’ny fifidianana rehetra hatao eto amin’ny firenena ka amin’ny fifidianana Ben’ny tanŕna ho avy izao ohatra dia hisokatra tanteraka izy ireo
. Tsy voatery ho mpikambana HVM ny kandida saingy rehefa vonona ny hiara-hiasa amin’ny antoko kosa dia hotohanan’izy ireo raha araka ny fantatra. Nisy ny fanokanana ny birao vaovaon’ny antoko HVM ao amin’ny Boriborintany faha-efatra ny Sabotsy lasa teo, lanonana natrehin’ny filoha lefitry ny antoko Jaobarison.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.